Malagasy Luke 2:1-20

Ary tamin' izany andro izany dia nisy didy navoak' i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran' ny vahoaka rehetra amin' ny fanajakany. (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria. Dia samy nankany amin' ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana. Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan' i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin' ny taranak' i Davida sy ny mpianakaviny), mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka. Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lambanjaza ka nampandriny teo amin' ny fihinanambilona; fa tsy nsy nitoerany tao an-tranombahiny. Ary nisy mpiandry ondry tamin' izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin' ny alina. Ary nisy anjelin' ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an' ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan' i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely maro be avy any andanitra niseho tampoka niaraka tamin' ilay anjely teo ka nidera an' Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin' ny avo indrindra ho an' Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety` ambonin' ny tany amin' ny olona ankasitrahany. Ary tamin' izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin' ny Tompo antsika. Dia nandeha faingana izy ka nahita an' i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo ampihinanam-bilona. Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin' izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin' izay zavatra nolazain' ny mpiandry ondry taminy. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an' Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.